You are here: home > Vetso

Maro angamba - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

Maro angamba irony andro

Mahay mandroaka tebiteby,

Fa ianao no ‘lay masoandro

Tsy mba mahay mandrebireby.

Maro angamba irony akanga

Mahay mandrava izay manjo;

fa ianao no tena manga

sy mbola tiako be tokoa.

Maro angamba irony kintana

Mitondra hira tsy hita isa,

Fa ianao no tena vintana,

Mbola ahitako paradisa.

Maro angamba irony lisy

Mahay mihira soa aman-tsara,

Fa ao aminao no tena misy

‘lay fitia tsy voatantara.

Fredy JAOFERA

Sokajy : FITIAVANA

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : lanto
Daty : 22/11/2003
Mpamangy : 1472
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

AMPY
TSY FANOME SARORO
NY OLON-TIAKO
TSAPA
FANDREBIREBENA
OLON-DAINGA
MITSAHATRA
NOFOANAKO
TRANOM-PITAKA
MIBORIDANA