You are here: home > Vetso

MARO NY TSARA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



MARO NY TSARA





Maro ny tsara
vita hosodoko
fa izy no voara
itoeran'ny foko.




Maro ny tsara
mahasondriana
fa izy no hara
azo itokiana.




Maro ny tsara
tsy tambo isaina
fa izy no anjara
novinavinaina.




Maro ny tsara
mpanaitra fitia
fa izy no ambara
ho ahy ho doria.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha