MASINA ANDRIAMANITRA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MASINA ANDRIAMANITRAMasina Andriamanitra
ka tsy foiko isan'andro
hampihiratra ny lanitra
hipoiran'ny masoandro.
Masina Andriamanitra
ka ivavahako eto ihany
haneho ahy ny hanitra
avy Aminy eto an-tany.
Masina Andriamanitra
ka atokisako lalandava
fa ny Fanahy maranitra
no ao Aminy manazava.
Masina Andriamanitra,
na anaty fahavoazana,
fa mahay mamangitra
ny tena fahombiazana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
Mpakafy:
rinaRAk
