You are here: home > Vetso

MASON'ANDRIAMANITRA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





MASON’ANDRIAMANITRA






Mason’Andriamanitra,
tsy mason’olombelona
fa mahita sy maranitra,
na tsy miselontselona.




Mason’Andriamanitra,
tsy mason’olombelona
fa avy any an-danitra
mahatazana ny velona.




Koa mitandrema ihany
no hafatrafatra ho anao
sao ho potraka amin-tany
sy hihomehezana ao ho ao.




Koa mihevitrevera fatratra
ny tsy  hiangatra mihitsy
Sao indro re ny lahatra
ho loza no tsy ho vitsy.





Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha