Matoa - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
Matoa aho mitsiky,
Ry tiako sy tsy foiko,
Dia mihevitra hanakiky
‘reo ratra toa misoko.
Matoa aho miravo,
Te hifaly eny hatrany,
Dia raketo fa manjavo
Ny fiainako eto izany.
Matoa aho mihira,
Tsy fitia hoe te hikalo,
Fa tsaroako toa mivira
‘Reo fotoana nampimalo.
Matoa aho mandihy
Na te hihetsika tokoa,
Aza ambara ho mankafy
Fa alahelo tsy mba roa.
Fredy JAOFERA
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : hery
Daty : 04/02/2004
Mpamangy : 2615
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
INDRAY LOHATAONAAZA MIARAKA AMIN'NY ADALA
HIPOITRA NY KINTANA
SAINA AMBANY
HABOBO
MIREMBY
VOLA NY FOTOANA
ANDOSIRO
NY POLITIKAN'NY TROSA
NY TENY MISY FANAHY