MATOA MANAN-KERY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MATOA MANAN-KERY





Matoa manan-kery
ilay fitiavako anao
dia mbola tsy very
itony toky mihavao.




Matoa manan-kery
ny ainga mandeha
dia tsy ho ahy irery
fa ho antsika ange.




Matoa manan-kery
ny zavatra ambara
dia tsy natao hiery
raha tsorina tsara.




Matoa manan-kery
izay nifanarahana
dia tsy nifampijery
fa be ny fiezahana.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
79 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119