MATOKIA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MATOKIA






Raha mahazo vahana
‘tony tolona iarahana
dia saino eto fa satria
te handresy, matokia !




Raha mitatra ombieny
ny sehatra sy habeny,
tsarovy eto fa satria
manantena, matokia !




Raha miroso fa tsy vava
ny vahoaka te handrava,
tohano hatrany fa satria
te hivoatra, matokia !




Raha mitady hirodana
ny manda fa niondana
‘reo fahoriam-bahoaka
dia isaory vao mipoaka.






Fredy JAOFERA
--------
Lien:
988 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115