MATORY MANGINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MATORY MANGINA




Matory mangina
ny zava-boaary,
tsy re mikoriana
ny rano toa sary.



Matory mangina
ny fitiavako anao
izay tsy zoviana
sy mba mihavao.



Matory mangina
ny asa sahanina
fa ora hatoriana
rehefa tazanina.



Matory mangina
ny fiainako izany
mifono fitoniana
misisika hatrany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
512 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 11/02/2025 04:44
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115