MATY NY FITIAVANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MATY NY FITIAVANA




Maty ny fitiavana
rehefa maty ny toky
tsy afa-nampihavana
antsika hatrany, roky.



Maty ny fitiavana
rehefa maty ny jiro
tomefy fahasoavana
fa nanako : halaviro.



Maty ny fitiavana
rehefa maty ny hehy
nanilo tomandavana
sy tsaroana namehy.



Maty ny fitiavana
rehefa maty ny lasa
feno tsiaro goavana
sy mbola be kinasa.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
611 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0136