MATY SA MATORY ? (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MATY SA MATORY ?





Moa ve maty sa matory
'reo tsy foy sy efa lasa ?
Moa ve maty fa mamory
'reo izay tiana sy kinasa ?



Moa ve maty sa matory
'reo natambatra ho iray ?
Moa ve maty fa mitory
ny haravoana ranoray ?



Moa ve maty sa matory
'reo nivadika ho Fanahy ?
Moa ve maty ka mba tsory
fa ny lalako eny toa voatahy ?



Moa ve maty sa matory
'reo efa natelin'ito taona ?
Moa ve maty fa tsy ory
ny hitahita manoloana ?





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : manokana - ahy - Fianakaviana - fiainana
1581 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0113