MBOLA HO AVY ILAY MARAINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA HO AVY ILAY MARAINA




Mbola ho avy ilay maraina
Hampiova ho hasambarana,
Hampitondra lamin-tsaina,
Tsy ho hitanao mifarana.



Mbola ho avy ilay maraina
Hampitsahatra eo ny lasa,
Hampiravo raha dradraina
Sy hampiteny ireo kinasa.



Mbola ho avy ilay maraina
Hampitsinjaka amin'izay
ary handoro ireo taraina
mbola ho potika sy may.



Mbola ho avy ilay maraina
hampijoro ho mpandresy,
Sady hamelombelona aina
Foana foana sy misesy !




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : fanantenana
2033 0
Commentaires
bichette ( 30/06/2005 13:21)
soa fa mbola ho avy ny maraina
naughtyboy ( 22/09/2005 18:31)
mahafinaritra ny mandre kalompanantenana samy ho ela velona hahita ilay maraina
hasinando ( 30/05/2006 13:17)
Soa fa hisy ny maraina ho fanantenantsika
3004 ( 31/05/2006 08:13)
Misaotra e !

Mirary soa,

Fredy JAOFERA
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 28/06/2005 22:59
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117