You are here: home > Vetso

METY DAHOLO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




METY DAHOLO





Mety daholo izay atao
rehefa fifampitokisana
no iainana tsisy raorao
an'ilay fitia anofisana...




Mety daholo izay atao
rehefa fifampitondrana
misy rindra fotsiny izao
no lamina mahatamana.




Mety daholo izay atao
rehefa fifankahazoana
no misy fa tsy mandao
sy manome haravoana.




Mety daholo izay atao
rehefa fifankatiavana
no tanjona ka anjakao
fa kanto ny mihavana.




Fredy JAOFERA