You are here: home > Vetso

MIAINA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?







MIAINA





Raha maloka ianao
dia miaina ny Lasa
ka mihevera fa sao
ny sento no hiasa !




Raha be ny ahiahy
dia miaina ny hoavy :
ny tebiteby no sahy
hitondra eto hanavy.




Raha mitony ianao
dia miaina ny anio,
metimety ny atao
ka ny misy, itsikio.




Fredy JAOFERA




Hametraka hevitra

Midira aloha