MIAINA NY FANANTENANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIAINA NY FANANTENANA





Miaina ny fanantenana
dia ny izao ankehitriny
lavitry ny fahabangana
sy 'zay disadisa fahiny.




Miaina ny fanantenana
dia miaina ny fitoniana
ho andro hahatamana
no hisy mba hifaliana.




Miaina ny fanantenana
dia miaina ny fivoarana
fa tsy taona andrarana
an'ity fahasambarana.




Miaina ny fanantenana
dia miaina ny fitokiana
hahitam-pahagagana
tena mivoy fitahiana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
366 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 04/03/2022 18:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015