MIANARA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIANARA





Mianara dia hahay,
tsy lainga akory izay
fa miantoka ho doria
ny hoavy tsy hikodia.




Mianara dia hivoatra,
na tsy afa-manoatra
sao hanenina tokoa
ka hivadika ati-doha.




Mianara dia hitombo,
na ilay saina dombo
ka hahavita zavatra
saika ho tsy takatra.




Mianara dia hiranga
eto fa tsy ho banga
ny soa saika tsy hita
rehefa olona tafita.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
262 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 01/02/2023 13:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014