You are here: home > Vetso

MIBORIDANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




MIBORIDANA



( Tany amoron-dranomasina no nanoratana an'ity tononkalo iray ity )




Taitra aho, ry nono,
fa ngeza dia ngeza ;
tsy mba honohono
ka dia manomeza !




Izany re ka vatana
manainga hikitika,
na tsy mivantana
sy ho kely bitika.




Zahao ange ny fory
fa manaitra ho azy ;
tsy laingako akory
na, hoe, vazivazy !




Ny fe indray moa,
nofon-kena aseho
mahaliana tokoa
no tsy mankaleo.




Izao no lamaody
ka tohizo hatrany ;
tsy misy ny kaody
fa fomban'ny tany.




Fredy JAOFERA