Ampidiro aloha ny tenimiafina
MIFANARAKA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIFANARAKATsaroako mifanaraka
ny tiana sy kendrena
matoa isika miaraka
feno toky tsy mihena.
Tsaroako mifanaraka
ireo hevitra mandeha
tsy afa-mampisaraka
fa mahavariana ange.
Tsaroako mifanaraka
ireo sangisangy tiana
tsy avela handraraka
ilay oram-panahiana.
Tsaroako mifanaraka
ny mampiray hatrany,
na saika ho tararaka
indraindray kely ihany.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
