NY MIFANKATIA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY MIFANKATIA




Ny mifankatia
mampirindra soa
ny tanjona sy dia
ho vanona tokoa.


Ny mifankatia
manamafy tsara
mba tsy hikodia
amin'izay anjara.


Ny mifankatia
mampiray fanahy
ka afaka hifangia
raha tojo ahiahy.


Ny mifankatia,
harena sarobidy,
antoka ho doria
amin'izay safidy.


Ny mifankatia
mahafaly loatra,
mamelona satria
afa-mampivoatra.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1318 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 25/07/2014 22:46
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0225