MIHA- (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIHA-Mihatsara ianao
rehefa mandeha ny fotoana
ka avia re, andao
fa tsy foiko ery, na ahoana ?
Mihamanja ianao
rehefa anio mba topazana
ka ny voady injao
mahaliana fa tsy ngazana.
Mihakanto ianao
rehefa hita eny an-tsehatra
mihira tsotr'izao
matoa any no miantehatra.
Miharavo ianao
rehefa hasambarana no azo,
satry tsy handao
ka ilay fitia, mbola fafazo !
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
