MIKIMPY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIKIMPY




Iza ange no nanampo
fa hatory tsy mifoha
'lay masoandro fifaliako
mbola lafo sy niriko ?




Iza ange no nahalala
fa hikimpy sy hiala
'lay reny tsy hosoloiko,
sady meva no tsy foiko ?




Iza ange fa 'tony tany
mamoaka 'reo tomany,
toa mamory ny alahelo
marobe fa tsy in-telo ?...




Sentosento foana sisa
no ilazako ireo tanisa
sy itazomako izato sary,
mampiteny...Mankarary.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
678 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 04/08/2016 20:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148