You are here: home > Vetso

MILA MIZAKA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


MILA MIZAKA





Mila mizaka
ny tena fitiavana
vao hiorim-paka
ny tsy fandavana.




Mila mizaka
'tony faharetana
vao hahazo laka
sy tsy hangetana.




Mila mizaka
ny tanjona maro
vao tsy ho vaka
fa mainka hiaro.




Mila mizaka
ny ezaka etoana
vao tena hipaka
'reo haravoana !




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha