MILAKA MILAKA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MILAKA MILAKA







Manao olona milaka milaka
ka ataon’ny olona milaka mihohaka,
koa aza ory raha mizaka mizaka
fa efa anjara tsy maintsy natohaka !



Manao olona tsy mitsitsitsitsy
ka ataon’ny olona be menomenona
koa aza kivy raha resy mihitsy
sy kaikikaikerin’ny latsa sy nenina.



Manao olona mafy dia mafy
ka ataon’ny olona mitady fiantrana,
koa aza osa raha tsisy ny atafy
fa tokony hipoiran’ny fahagagana.



Manao olona biby mamono
ka ataon’ny olona mandatsa-tomany,
koa eritrereto fa tsisy honohono
ny tokony ho sazy mifanitsy amin’izany.






Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : fiainana
1036 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0124