You are here: home > Vetso

MIREMBY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?







MIREMBY





Miremby lamin-tsaina
dia zava-manahirana
sarotra andrandraina
rehefa be fifandirana.




Miremby fihavanana
dia fiainan-tsarobidy
raha iaraha-manana,
na amin'ora mangidy.




Miremby fialamboly
dia fotoana fatratra
tsy mba mahangoly,
na dia mahasasatra.




Miremby fifaliana
dia antoka ho anao
fa dia hisy fihobiana
handrindra ao ho ao.





Fredy JAOFERA