MISY FAHASAMBARANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY FAHASAMBARANA




Misy fahasambarana
izay tsapa isantarana
vao manoloana azy
fa tsy mba vazivazy.



Misy fahasambarana
mamoha fandaharana
ho nofy tsy mitsahatra
ny eto ka mamahatra.



Misy fahasambarana
mila, hoe, niangarana
fa mamelona ahy fitia
angamba ho tabiha.



Misy fahasambarana
tsy misy fitsaharana
milaza fa efa tazana
itony soa ka toazana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
315 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115