MISY FOANA VAVAKA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY FOANA VAVAKA !....




Misy foana vavaka
ataoko isan’andro
tsy hampihatakataka
ny Ray fa mitandro.



Misy foana vavaka
ataoko isa-maraina,
mety ho mangataka
fa saotra be lalaina.



Misy foana vavaka
ataoko eny ho eny
hisy soa miravaka
‘zay hita lavareny.



Misy foana vavaka
ataoko mangingina
ho firenena miavaka
‘lay Gasikara tiana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1304 0
Commentaires
vonynive ( 13/07/2014 07:41)
vavaka sy asa

Fa, hisy foana koa
asa tsy hahasasatra
dia ny hanisy soa
ny havako mahantra
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119