You are here: home > Vetso

MISY NOFY MATORY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?







MISY NOFY MATORY





Misy nofy matory
ato am-po hatreto
tsy fantatra akory,
na ahoana, raketo.




Misy nofy matory
manangan-tigetra
manambara izory,
na atao amboletra.




Misy nofy matory
tsy ilaozana adidy
nikasa nanorisory
fa nekena handidy.




Misy nofy matory
mila hafinaretana
rehefa reraka ory
ito fieritreretana.




Fredy JAOFERA