MISY VORONA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY VORONA Misy vorona sahady
mihira vao maraina
ka asa raha mitady
namana holalaina.
Misy vorona sahady
mandrava torimaso,
miantso eto no sady
tsy mba tia andraso.
Misy vorona sahady
manelingelina ihany
fa misidina sy miady
manakotaba hatrany.
Misy vorona sahady
mitondra mba hiasa
raha mbola tomady
ho tody ireo kinasa.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana