MITADY FANOVANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITADY FANOVANA




Mitady fanovana
ny hetaheta maro,
mampihanahana
fa jaly mifangaro.



Mitady fanovana
ny nofinofy tiana
hisy fahagagana
mbola tsy zovina.



Mitady fanovana
ny andrasana eto
ombieny hahitana
ny ilaina ka raketo.



Mitady fanovana
mahasoa ny tany
tsy hisy fiafarana
sy tsara sesilany.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
51 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 29/06/2024 05:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141