MITAKY FOTOANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITAKY FOTOANA




Mitaky fotoana
ny fahasambarana
vao avy hanafoana
ny lalam-piakarana.



Mitaky fotoana
ny fahamendrehana
vao tsy afa-mihaona
an'ireo fanenjehana.



Mitaky fotoana
ny fahamboniana
vao avy anoloana
ireo izay fitahiana.



Mitaky fotoana
ny fahombiazana
vao hita mitaona
fahalehibiazana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
508 0
Commentaires
Fonengo ( 02/06/2024 06:34)
Tsarabe ilay tononkalo fa fohy loatra,miaina anaty amin'ny fiandrasana amin-toky ny faniriana sy ny ezaka atao.Tohizo fa tsara namana a!!!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115