MITAMBATRA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITAMBATRA





Izay mitambatra vato,
izay misaraka fasika,
ka iriko tsy hiato
fa mainka hidadasika
ny tena fihavanana
ilaina ho fiadanana !




Tsy mahay sobika,
mahay fatam-bary
ka andao re isika
tsy hisy hifanary
fa ’zay miray hina
no be fitahiana.




Ny mita be
tsy lanin’ny mamba,
ka ny mitambatra re
fa mbola tsy angamba
no zavatra tsara
hatrany am-para.







Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1364 1
Mpakafy: Zozoro
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012