You are here: home > Vetso

MITENY NY TANANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




MITENY NY TANANA





Miteny ny tanana
rehefa manoratra,
hita ho havanana,
sady mamokatra.




Miteny ny tanana
rehefa mitomany,
tsy hay sakanana
fa lasa eny ihany.




Miteny ny tanana
rehefa mamaritra
nofim-piadanana
mbola tsy aritra !




Miteny ny tanana
rehefa mamosaka
'reo ainga manana
ny tsapa mitosaka.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha