MITOLONA AHO SATRIA... (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITOLONA AHO SATRIA...




Mitolona aho satria
maniry ny hiova dia
sy hivoaka ny tonelina,
mitady ny hahadomelina
ary mila hampidi-kizo,
na manàko hoe : Tohizo !



Mitolona aho satria
tsy jamba, sanatria,
ka tsy mahita akory
ireo mijaly sy efa ory
tao anaty fahakiviana,
tsy mba nisy fitahiana.



Mitolona aho satria
takiko ny ho tabiha
ny hanjaka lalandava
hipoiran'ny mazava
ho an'ny fireneko
no zavatra kendreko.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1347 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0127