You are here: home > Vetso

MITSAHATRA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





MITSAHATRA





Mitsahatra ny orana
vao tsara ny andro,
na aiza no izorana,
hoy ny masoandro.




Mitsahatra ny sento
vao tonga ny tsiky,
na ahoana ka ento
sao fery no hikiky.




Mitsahatra ny olana
vao ravo ny tantara,
na tsy eo ny volana
hanilo itony anjara.




Mitsahatra ny mafy
vao tonga ny nirina,
na efa ela no nihafy
nanantena fitahiana.




Fredy JAOFERA