MIVOY NY SAINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIVOY NY SAINA





Mivoy ny saina
am-pahamarinana,
dia toetra ilaina
feno fanambinana.




Mivoy ny saina
am-pahamatorana
dia mitory aina
amin'izay izorana.




Mivoy ny saina
am-pahamboniana
dia soa vohaina
hidiram-pitoniana.




Mivoy ny saina
am-pahombiazana
dia azo lazaina
fa misy hery tazana.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
510 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117