MIZIRIZIRY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIZIRIZIRY






Miziriziry ihany
hipetraka hatrany,
na dia takatra aza
fa efa tsy sahaza
ny mbola hijanonana,
eny am-bovonana !




Miziriziry lava,
na efa tsy mazava
ny lalana nasaina
sy ‘zay nantenaina
hizoran’ny vahoaka
miala sy mitsoaka.




Miziriziry foana,
na olona efa noana
sy mponina efa leo
no re mamoaka feo
fa tsy mahita anjara
mendrika sy tsara !




Miziriziry ombieny
Na izay tazana eny,
tsisy filaminana,
tsisy fanambinana
ka mampiasa hery
fa toa hoe : voatery.






Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
839 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 04/04/2013 12:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151