MPIFANKATIA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPIFANKATIA





Izay mpifankatia
mahay miara-dia
no hahazo anjara
toy ny raozy tsara.




Izay mpifankatia
mahay mifangia
no hahita harena
feno fahendrena.




Izay mpifankatia
tsy mba re malia
no higoka hatrany
ny mamin'ny tany.




Izay mpifankatia
mivazo, matokia,
no ho miran-tava
lalaina lalandava.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
173 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0147