You are here: home > Vetso

NA TSY FANTATRO AZA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




NA TSY FANTATRO AZA





Na tsy fantatro aza
'zay anarana, ry tiako,
dia inty aho milaza
fa ianao no faniriako.




Na tsy fantatro aza
'zay mombamomba re
dia ianao no sahaza
hampiadana ahy ange.




Na tsy fantatro aza
'rony adiresy itoerana
dia saika ny hihaza
matoa mba miserana.




Na tsy fantatro aza
'zay mbola ao am-po
dia vazo no malaza
sy haravoana tena to.




Fredy JAOFERA