NANDAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANDAO



Nandao ianao kanefa ny foko aman-panahy
dia mirona any ihany malahelo sy manahy,
mitanisa tsisy farany ireo fotoana adaladala
niarahantsika teny vao nanomboka tsy niala.




Nandao ianao kanefa mipetraka ato an-tsaina
'reo hafaliana maromaro metimety sy lalaina,
'reo tambitamby sy tomany fony isika nihafy
raha nanorina fitia hitoetra marina sy mafy.




Nandao ianao kanefa tsy hitsahatra ny tanana
hanoratra eto ombieny hivatsy izay fiadanana
sy ny vetsom-po mangina tsapa mahafinaritra,
tsy mety ho an'ny hafa no sady tena haharitra.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana
1041 1
Fans: achrafhanna
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0121