NANTENAINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANTENAINA



Nantenaina no hantenaiko
hiara-tretrika amin'ny saiko,
hiara-hiadana amin'ny foko,
na mahazo sento sy toloko,
na rahoviana na rahoviana
no faniriako iray mangina.



Nantenaina no hantenaiko
hanafoana izay lanjaiko,
hampihiratra ny fiainako
ho fialofan'ny fisainako,
hamoha eto izay kinasa,
handrava koa ny lasa !



Nantenaina no hantenaiko
hiara-hitendry izay hiraiko,
hiara-hidola eto an-tany
raha tsy fantatrao ihany,
hiara-hianoka ny tsarako
ary hanova ny tantarako.



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1206 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0179