NATAOKO IHANY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NATAOKO IHANY




Nataoko ihany izay hoe hanadino
ny sangisangy fanao re, ry tiana,
kanefa tsy nety ka indro vimbino
'zao kalokalo tsy fanta-piaviana.



Nataoko ihany izay hoe hanafoana
ny fahatsiarovana maro dia maro
kanefa tsy nety fa zary nampihaona
ny omaly sy anio izay toa mifangaro.



Nataoko ihany izay hoe hanalana
ny fitiavako anao tsy ho ato am-po
kanefa tsy nety fa mitoetra, mazàna,
raha miroborobo lava sy mbola tsy lo.



Nataoko ihany izay hoe hanajanona
'ty tanako ity tsy hanoratra intsony
kanefa tsy nety fa mainka nihavanona
raha mbola ho anao no tsarotsaroany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1472 1
Fans: katita
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 19/02/2007 20:55
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0287