NILA FOTOANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NILA FOTOANA





Nila fotoana
vao afa-nahazo
‘zay mba nafafy
raha teny foana
hita ho nivazo
sy dia nihafy.




Nila fotoana
vao afa-nigoka
ny tiana ho soa
raha efa noana
vao nisy loka
nipoitra tokoa.




Nila fotoana
vao afa-naneho
‘zay nisasarana
raha voamboana
anio, ry zareo,
ny amaharana.




Nila fotoana
vao afa-niaina
‘zay mba nirina
raha tafahaona
sy tanisaina
‘reo fitahiana.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1617 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116