Ampidiro aloha ny tenimiafina
NISY FAHASAHIRANANA (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NISY FAHASAHIRANANANisy fahasahiranana
vao vita izay notontosaina
fa tsy tonga dia fiadanana
no nanazava isa-maraina.
Nisy fahasahiranana
vao nilamina ny nizorana
fa tsy avy dia nananana
ireo tarigetra nifotorana.
Nisy fahasahiranana
vao nirindra ny nodiavina
fa tsy avy dia nompanana
ny haravoana notadiavina.
Nisy fahasahiranana
vao to ireo fikasana maro
fa tsy tonga dia notanana
raha feno fitahiana miaro.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
