NISY HASASARANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NISY HASASARANA





Nisy hasasarana
vao tody izay nirina
mbola nanambarana
ny hery mangingina.




Nisy hasasarana
vao azo izay nilaina,
na tojo be fiakarana
tsy haiko tantaraina.




Nisy hasasarana
vao ravo ny fanahy
sy lalam-pivoarana
natefy tsara ho ahy.




Nisy hasasarana
vao niala ny aizina
sy mba fitsaharana
tsy mora nolaizina.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
328 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 16/01/2021 12:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015