NODY VENTINY (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NODY VENTINYNody ventiny
ny rano natsakaina
ka ny nentiny,
fakofako tsy nilaina.
Jinjaiko anio
ny nafafy hahasoa
ka tsiritsiriho
fa fitahiana avokoa.
Iainako izao
ny ela nivavahana
ka tsiky vao
no inty mibahana.
Tonga kosa
ireo nofinofy maro
ka miavosa
ny rindra re, takaro.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
