Ampidiro aloha ny tenimiafina
NOHO NY FAHANTRANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOHO NY FAHANTRANANoho ny fahantrana,
mijaly ery ny olona
ka mitaky fanovana
matoa re mitolona !
Noho ny fahantrana,
mitombo ny halatra
fa izay no fanjakana
misy tsy mitsahatra.
Noho ny fahantrana,
zara raha mihinana
ny maro ka mazàna,
resy am-panginana.
Noho ny fahantrana,
ketraka ny mponina,
sedra tsy hay ialana
fa tsy mba foronina.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
