NONY NISY I VERO... (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NONY NISY I VERO…




Nony nisy i Vero,
saino sy hevero
ary mba diniho
ny làlako eto anio,
fa zary fitoniana
azoko itokiana;
zary fanajana,
tsy azonao ravana ;
zary lamin-tsaina
mamelombelona aina ;
zary koa fitiavana
mitombo tomandavana.




Nony nisy i Vero...
Aiza ka ny afero
mangidy sy mafaitra,
tsaroako tsy nanaitra ;
ny ali-nampahory,
tsaroako nampatory ;
ny andro nampahosa,
toa tsiky be nisosa ;
ny tebiteby ireriko
nanambatra ny heriko ;
ny tena fahareseko,
nanjary fandreseko !




Nony nisy i Vero...
Nahoana no hoe fero
ny fatram-pahasambarako
sy izay mety ho anjarako ?
Fa ny toetra aman-panahiko
sy izay zavatra narahiko
dia tsaroako daholo
ho niova manontolo;
ny andro rehetra rehetra,
na sendra nampitsetra,
tsaroako ho andro feno
ra’tiako izany ho heno !





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
781 1
Hevitra mandeha
Manatsiala ( 10/03/2009 19:57)
Raha met de le hoe ali-nampahory ovaina hoe ali-nahaory dia mba kanto kokoa izy amin'izay (Manatsiala)
3004 ( 10/03/2009 23:56)
misaotra e !...Ahoana no fanovana an'io fa tsy haiko. Hainao ve ?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 25/02/2009 20:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108