You are here: home > Vetso

NOSIN-KARENA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





NOSIN-KARENA





Nosin-karena
ny tanindrazana
ka tsy ekena
ny fahavoazana.




Nosin-karena
lalaim-bahoaka
anefa mivena
sy tsy tafavoaka.




Nosin-karena
na aiza, izorana ;
be volamena
nefa fihemorana.




Nosin-karena
tokony hivoatra,
etsy vonjena
fa mamy loatra.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha