NY ALINA MANGINA (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ALINA MANGINANy alina mangina,
manam-pitoniana,
miantso torimaso
tsy ilana andraso.
Ny alina mangina,
mamono fijaliana,
mibaby fiadanana
tsy hay sakanana.
Ny alina mangina,
manam-pitokiana
fa ampitso mamy
no indro ho tamy.
Ny alina mangina,
mbola iangaviana
hanala harerahana
efa nahazo vahana.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
