NY ANDRO (2) (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ANDRO





Ny andro tsara
manome hasambarana
nony miafara
ho fety hitambarana.




Ny andro ratsy
mitondra ahy traikefa
nony tsy vatsy
no mitranga miantefa.




Ny andro tiana,
mitaona ahy fitiavana
nony hafaliana
no tonga fahasoavana.




Ny andro mafy,
mamoha fanantenana
nony mamafy
'reo ora be hatsarana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
311 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 01/09/2022 12:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143