NY ANDRO MITORY... (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ANDRO MITORY...





Ny andro mitory
hasambarana
rehefa misy fitia : 
vao tsy sorisory
no isantarana
ny izao, matokia.




Ny andro mitory
fahasoavana
rehefa misy lalaina ;
ny foko tsy ory
fa mihavana,
mora ery arahabaina.




Ny andro mitory
fandihizana
rehefa misy mozika
tsy laviko akory,
na mamizana
fa efa niarahantsika.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
507 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 28/01/2022 16:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015